PROJECTION
Par Ankadifotsy XVII le mardi 14 juillet 2009, 11:55 - Lien permanent
Ao anatin'ny fankalazana ny iray volan'ny Farimbona dia manana alahady iray avy ny sampana rehetra eto anivon'ny FJKM Ankadifotsy mandritra ity volana Jolay ity, ary samy manana ny fomba anehoany azy avy ny isan-tsampana amin'izany.
Manana anjara amin'izany ny Sampana Mpanazava sy Tily, ka ny alahady faha 19 jolay 2009 izao izany. Ho enti-manamarika io dia mikarakara horonan-tsary izy ireo amin'io fotoana io manomboka amin'ny 4 ora sy sasany, izay mitondra ny lohahevitra hoe " Ny Fiarovana ny tontolo iainana sy ny bokin'ny JOELA".
Fifaliana ho azy ireo ny manasa an'ise amin'izany satria miankina amin'ise ny ho avin'ity Nosintsika ity.
Tongava maro ary...
Commentaires