Fisaorana lehibe no atolotra an'Andriamanitra, satria mbola misy tanora sahy sy vonona hanolo-tena amin'ny fanabeazana ireo ankizy omen'Izy Tompo ho beazina eo anivon'ny fitaizana skoto. Ho fanatanterahana sy ho fanehoana amin'ny fomba hita maso io fanoloran-tena io, dia hisy fotoam-pivavahana ny alahady faha 19 Jolay 2009 ho avy izao ao amin'ny FJKM Ankadifotsy manomboka amin'ny 10 ora maraina, hanatanterahan'ireo Mpiandraikitra ao amin'io fitandremana io ihany ny fanekeny.

Ireto avy ireo mpiandraikitra hanao ny fanekeny:

Tily Sampana mavo :

RAHARIMIARANA Mihaja (Baloo)

Tily Sampana maitso:

RANDRIAMIARANA Johary (Langora Mifantoka)

RAZAFINTSALAMA Mahenintsoa (Angiky Mandalina)

Tily Sampana mena:

TOJOSOA Njaravola

Hisy ihany koa ny fanolorana Tonia tily mandritra io fotoana io, ka hatolotra amin'izany i: TRAKALA Mikiry

Koa fifaliana ho azy ireo ny manasa an'ise hantrika io fotoana io.

" Eo anatrehanao ry Ray, no ekeko..."