RODORODO 2009
Par Ankadifotsy XVII le samedi 28 mars 2009, 09:37 - Lien permanent
Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahina ny 27-28-29 Martsa izao ny rodorodo faritany afovoany fanaon'ny Tily Sampana Mena . Amin'ity indray maka ity dia hitondra ny lohahevitra hoe "FANDIO RANO " ny rodorodo, izany manodidina ny rano sy ny tombotsoa amin'ny fananana azy no tena ho lalaovina amin'izany. Koa miandry izay ho vokatry ny lalao isika, izay antenaina ahitana mpandray anjara any amin'ny 100 Mpiandalana any ho any, izay andraisan'ny Tily Mena avy eto amin'ny fivondronana faha XVII anjara. Mirary soa ho an'ny Mpilalao rehetra.
Commentaires