Elaela !!
Par Ankadifotsy XVII le vendredi 9 mai 2008, 10:37 - Lien permanent
Manakory e!
Inona indray ny vaovao izay ela tsy nihaonana izay? Betsaka ny azo lazaina satria efa ho efa-bolana tsy nisy filazam-baovao!!
Ny nisongadina indrindra aloha dia ny hetsika "Elatra miaro an'Analamanga" izay tetik'asa momba ny ady @IST/SIDA notanterahan'ny tily maitso teny amin'ny fokontany Ankadifotsy Befelatànana sy ny manodidina. Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny 19/01/08 izy io ary nifarana ny sabotsy 26/04/08 tao amin'ny efitrano malalakiny KTR.

Ny hetsika teo anivon'ny faritany koa no nanamarika izay elaela kely izay; teo ny fifaninana isan-tsokajiny teny amin'ny faritra sy ny faritany sy ny lasy fiofanana izay samy nandraisan'ny fivondronana anjara.
Ambiansa...
Ankoatr'izay dia faly miarahaba an'i Roy Manararo (mp mpanazava maitso) sy Salano Milefitra (menafify) samy nahaorina ny tokantranony avy. Andriamanitra anie hanampy anareo r'ise amin'ny fanambadiananareo!!!
Raha lasa niampita ranomasina kosa i cheftaine Rina (mp voronkely) dia tongasoa eto an-tanindrazana indray i cheftaine Nanà (mp mpanazava maitso) hiofana arak'asa. Arahabaina daholo na ny nandao na ny tonga e!
Dieu nous a placés dans ce monde merveilleux pour y être heureux et jouir de la vie. Lord Baden Powell
Commentaires
salanitra,
misaotra misaotra misaotra ...
dia manaraha ny dianay ho anreo mbola tsy ao anaty faribolana e, de ny efa manana anie hanjakan'ny fitiavana hatrany
sitraka sy telina ary saotra hanenika ry reto a
Akory!
Amin'ity faran'ny herinandro 14/06 sy 15/06 ity indray ny fiofanana D hoan'ny mpiandraikitra tily eto @faritany afovoany e! Manantena antsika ho tonga marobe hiofana be!