Manasa an'ise ho tonga hiara-hivavaka sy hanatrika ny faneken'ny ireto miaramilan'i JESOA ireto, am 18/07/10 à 10h

Dia manantena ny fanotronan'ise. Homba antsika mianakavy anie ny TOMPO.
Aller au contenu | Aller au menu | Aller à la recherche
mercredi 30 juin 2010
Par Ankadifotsy XVII le mercredi 30 juin 2010, 11:55
Manasa an'ise ho tonga hiara-hivavaka sy hanatrika ny faneken'ny ireto miaramilan'i JESOA ireto, am 18/07/10 à 10h

Dia manantena ny fanotronan'ise. Homba antsika mianakavy anie ny TOMPO.
mardi 15 juin 2010
Par Ankadifotsy XVII le mardi 15 juin 2010, 17:40
Toy ny fanao isan-taona dia mikarakara hetsika ny Sampana Mpanazava sy Tily avy eto amin'ny fivondronana faha XVII (FJKM Ankadifotsy) ny 25 Jona 2010 ho avy izao, ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ihany, manomboka amin'ny 3ora hariva.
Hiova kely ny endriny amin'ity indray maka ity satria raha ny fanao isan-taona dia "Vary amin'anana sy fen'akoho lehibe" no natao, amin'ity kosa dia hiampy tsakitsaky isan-karazany sy lalao izay ahazoana fanomezana izy. Ny tapakila fandraisana anjara dia efa azon'ise raisina any amin'ireo Mpiandraikitra avy eto amin'ny fivondronana.
Misy karazany telo ny tapa-kila: 1 500 Ar, 2 500Ar ary 3 500 Ar. Alaivo haingana ary ny tapakilan'ise fa sao diso anjara an!!! Mankasitraka ee!!
mardi 14 juillet 2009
Par Ankadifotsy XVII le mardi 14 juillet 2009, 11:55
Ao anatin'ny fankalazana ny iray volan'ny Farimbona dia manana alahady iray avy ny sampana rehetra eto anivon'ny FJKM Ankadifotsy mandritra ity volana Jolay ity, ary samy manana ny fomba anehoany azy avy ny isan-tsampana amin'izany.
Manana anjara amin'izany ny Sampana Mpanazava sy Tily, ka ny alahady faha 19 jolay 2009 izao izany. Ho enti-manamarika io dia mikarakara horonan-tsary izy ireo amin'io fotoana io manomboka amin'ny 4 ora sy sasany, izay mitondra ny lohahevitra hoe " Ny Fiarovana ny tontolo iainana sy ny bokin'ny JOELA".
Fifaliana ho azy ireo ny manasa an'ise amin'izany satria miankina amin'ise ny ho avin'ity Nosintsika ity.
Tongava maro ary...
Par Ankadifotsy XVII le mardi 14 juillet 2009, 11:35
Fisaorana lehibe no atolotra an'Andriamanitra, satria mbola misy tanora sahy sy vonona hanolo-tena amin'ny fanabeazana ireo ankizy omen'Izy Tompo ho beazina eo anivon'ny fitaizana skoto. Ho fanatanterahana sy ho fanehoana amin'ny fomba hita maso io fanoloran-tena io, dia hisy fotoam-pivavahana ny alahady faha 19 Jolay 2009 ho avy izao ao amin'ny FJKM Ankadifotsy manomboka amin'ny 10 ora maraina, hanatanterahan'ireo Mpiandraikitra ao amin'io fitandremana io ihany ny fanekeny.
Ireto avy ireo mpiandraikitra hanao ny fanekeny:
Tily Sampana mavo :
RAHARIMIARANA Mihaja (Baloo)
Tily Sampana maitso:
RANDRIAMIARANA Johary (Langora Mifantoka)
RAZAFINTSALAMA Mahenintsoa (Angiky Mandalina)
Tily Sampana mena:
TOJOSOA Njaravola
Hisy ihany koa ny fanolorana Tonia tily mandritra io fotoana io, ka hatolotra amin'izany i: TRAKALA Mikiry
Koa fifaliana ho azy ireo ny manasa an'ise hantrika io fotoana io.
" Eo anatrehanao ry Ray, no ekeko..."
lundi 30 mars 2009
Par Ankadifotsy XVII le lundi 30 mars 2009, 11:13
Isaorana lehibe Andriamanitra tamin'ny hery sy tanjaka nomeny ny Mpirodorodo rehetra, ny mpilalao na ny mpampilalao. Vita soa ama-tsara ary ny rodorodo, ka nahazo ny laharana faha efatra (4) ny fokonolona Rainandriampandry avy eto amin'ny fivondronanana fa ha 17.
« billets précédents - page 1 de 4