Isaorana lehibe Andriamanitra tamin'ny hery sy tanjaka nomeny ny Mpirodorodo rehetra, ny mpilalao na ny mpampilalao. Vita soa ama-tsara ary ny rodorodo, ka nahazo ny laharana faha efatra (4) ny fokonolona Rainandriampandry avy eto amin'ny fivondronanana fa ha 17.
lundi 30 mars 2009
VOKATRA RODORODO FANDIO RANO 2009
Par Ankadifotsy XVII le lundi 30 mars 2009, 11:13
samedi 28 mars 2009
RODORODO 2009
Par Ankadifotsy XVII le samedi 28 mars 2009, 09:37
Toy ny fanao isan-taona dia ho tanterahina ny 27-28-29 Martsa izao ny rodorodo faritany afovoany fanaon'ny Tily Sampana Mena . Amin'ity indray maka ity dia hitondra ny lohahevitra hoe "FANDIO RANO " ny rodorodo, izany manodidina ny rano sy ny tombotsoa amin'ny fananana azy no tena ho lalaovina amin'izany. Koa miandry izay ho vokatry ny lalao isika, izay antenaina ahitana mpandray anjara any amin'ny 100 Mpiandalana any ho any, izay andraisan'ny Tily Mena avy eto amin'ny fivondronana faha XVII anjara. Mirary soa ho an'ny Mpilalao rehetra.
lundi 24 novembre 2008
NOELI-PIVONDRONANA 2008
Par Ankadifotsy XVII le lundi 24 novembre 2008, 16:36
Toy ny fanao isan-taona dia hanatanteraka ny noelim-pivondronana ny SAMPATI eto amin'ny FJKM Ankadifotsy, Fivondronana faha XVII ny Alatsinainy 22 desambra 2008 ho avy izao. Hiova endrika izy amin'ity ndray maka ity, satria ny beazina hanome aina eo aminy lafiny feon-kira. Ity fankalazana Noely ity moa dia napitondraina ny lohahevitra hoe "E! MIVERENA"; izay entina maneho indrindra fa na maro aza ny zavatra eritreretintsika ho tsara sy mahasoa, dia ao amin'Andriamanitra irery iany no mahatsara antsika. Hanomboka amin'ny 6 ora hariva ny fotoana, koa manasa an'ise ho avy fa ny aim-panahy ho azo , ny fahafinaretana ho hita.
dimanche 23 novembre 2008
TP2
Par Ankadifotsy XVII le dimanche 23 novembre 2008, 17:24
Bonnes nouvelles!!
Félicitations à DOKANA Mitoetra et Viviane RAMBELOARIMANGA, tous deux des anciens responsables d'Ankadifotsy, pour leur évolution au niveau du scoutisme. En effet, après le dernier camp Ravinala, ils ont reçus chacun leurs deux tisons de chef confirmé (whhaaa!!). Pour un petit rappel, les tisons de chef confirmé sont attribués aux responsables qui ont validé leur camp Ravinala (pour les Tily Eto Madagasikara) par un devoir d'écrit. Pour ceux qui souhaitent en savoir plus, c'est par ici !!! Et encore toutes nos félicitations!!!
(source: http://www.scouts-europe.org)
Nouveau site des Tily Eto Madagasikara
Par Ankadifotsy XVII le dimanche 23 novembre 2008, 17:11
On espère une bonne mise à jour des données...
« billets précédents - page 1 de 4